Madagascar – Interview de Mme le Ministre de la communication sur la bonne gouvernance – TVM du 7 février 2019

0
39

Ny mikasika ny hoe : tsy maintsy apetraka faran’izay maika izany, ary toromarika no nataon’ny Filohan’ny Repoblika, tsy maintsy vita mialohan’ny 26 ny volana Jona, taona 2020 ny fonja vaovao, ilay fonja manokana, ny teny filamatra nambaran’ny fihoham-pirenena hoe tsy isika vahoaka malagasy intsony kosa no tokony hatahotra e, tsy isika vahoaka malagasy, ataontsika hoe tsy manana ny fahadisoana indray no matahotra fa ny manao ratsy indray no tsy matahotra eto amintsika, mila avadika izany.

Mikasika izay, ireo hevi-dehibe izay nodinihanareo tao anatin’ny filen-kevitry ny minisitra izay, sao mantsy ny olona mieritreritra hoe mivorivory fotsiny ry zareo hoe mifampiresadresaka ao andapa ao fa dia tena hoe iankinan’ny ain’ny firenena izany ny tapahana ao anatin‘izay filan-kevitry ny Minisitra izay.

Ny hanampiako azy Miora, izaho izany te hanome antoka fotsiny ny vahoaka malagasy hoe : tsy resahana kobaka am-bava fotsiny ilay hoe manao fiovana isika e, samy mahatsapa daholo izany na ny Filohan’ny Repoblika na ny Praiminisitra indrindra ny Minisitra izay notendrena ato anaty governemanta hoe mila tanterahina ho tsapan’ny vahoaka, ho azon’ny vahoaka tsapain-tanana ilay resaha hoe fiovana. Anisan’izany izao ohatra Miora, ngamba mbola tsy nisy raha tsy izao izany hoe ny Minisitra io dia tsy maintsy miaritra fitoanan’ny fifamoivoizana, mitovy amin’ny vahoaka malagasy rehetra, fa hatramin’izay ny Minisitra dia mampiasa gyrophare, mandeha afaka mandika lalànan’ny fifamoivoizana, mampiasa jiro mirehidrehitra sy feo mitabatataba na anjomara, hoy isika, dia afaka manao izay danin’ny kibony, tsy misy intsony izany. Dia nandraisana fepetra nisy Minisitra mbola nanao an’izay, dia niteny ny Filohan’ny Repoblika avy hatrany hoe tsy maintsy raisina ny fepetra mba ho modely sy ohatra tsara izany isika mpitondra aty ambony. Dia vao omaly ihany koa izao mbola nahita isika hoe nisy fiara plaque rouge na ilay takelaka menamena mbola nanao ny ataony ihany, dia avy hatrany dia nandray andraikitra ny Minisitry ny Telecommunication, satria teo ambany fiadidiany ilay tompon’andraikitra dia nandraisana fepetra avy hatrany, naato tamin’ny asany izy sy ny mpamily, dia nanaovana demande d’explication, na fangataham-panazavana sns, itenenana hoe tsy misangisangy amin’ilay fepetra noraisina, satria mantsy izao ny zavatra nisy teto amin’ny firenena nge Miora e : eny e, lazainareo fotsiny fa tsy tanterahinareo akory anie e, ianareo anie ambon’ny lalàna foana, dia maneho ohatra ny Filohan’ny Repoblika hoe ireo olona notendrena ao anaty governemanta ireo indrindra no tena tsy tokony ary voalohany tsy ambon’ny lalàna. Mandray ohatra anankiray hafa ihany koa aho izao Miora hoe: asa raha fantatrintsika fa, anisan’ny fampanantenana nataon’Andriamatoa Andry Rajoelina fa fony izy nilatsaka ny hofidiana ny hoe ; vao tonga eo amin’ny fitondrana hoa an, dia atsahatra daholo aloha ny fahafahana manondrana omby na velona na maty na hena izany, satria an, io no tena mampirongatra be halatr’omby, isika mahalala an’izany, ianao mahalala an’izany amin’ny maha mpanao gazety anao, dia notanterahiny izay tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra farany talohan’ity izany an, hay tsy farany kay moa satria efa nisy maromaro teo fa tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 31 ny volana Janoary ngambany izy iny raha tsy diso aho an, dia notanterahina avy hatrany ny hoe, tonga dia noraisina ny didim-panjakana dia miato izany, tsy hoe miato fa nofoanana mihitsy izany ny fahafahana manondrana omby velona na hena ihany koa. Ohatran’izany ihany koa izao, ity mbola tsy nisy niresaka mihitsy ity ary dia notanterahina ny hoe ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika tsy Filohan’ny Repoblika, izay izany apetrany ary ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny tsy manana teti-bola hoe mandanindany vola atsy sy eroa e, kabinetra be tahakan’izao, mitsabatsabaka amin’ny raharaham-pirenena atsy sy eroa e, manao intervention, tsy misy an’izany intsony Miora. Fa ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, ny any andraikiny dia manohana ny vadiny amin’ny andraikitra izay iantsorohany, fa izy kosa dia sady tsy hiandreketan’ny Fanjakana no tsy mandany ny volam-panjakana, no tsy atao hoe misy idirany izany amin’ny fiainam-pirenena fa amin’ny maha vadin’ny Filohan’ny Repoblika azy dia manao ny asa sosialy izy a, mifanaraka izay, amin’ilay fikambanana izay iantsorohany. Mbola tsy misy izany, asa raha fantatr’isika hoe ny anisan’ny ady hevitra any ivelany any ohatra izao hoe: Ramatoa Brigitte Macron, satria izay no akaiky antsika, any Frantsa andaniana 440 000 Euro isan-taona, vola be mihitsy izany amin’ny vahoaka Frantsay. Dia izay no nangalan’ny Mpitondra antsika taty tahaka, mpitondra izay nifandimby tahaka, dia manombok’izao mba hoe tsy misy intsony izany ataontsika hoe fandanindiam-bola ho an’ny vadin’ny Filoham-pirenena izany fa mijanona amina “rôle” na andraikitra hoe manohana ny vadiny izy an dia manao ny asa sosialy ao anatin’ny fikambanana. Ny androany ihany koa izao tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra Miora dia napetraka eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny birao anankiray andraisana ny fitarainan’ny olona, bureau de doléance hoy ny filazantsika azy, tapaka tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra io. Hatramin’izay manko, mitaraina ny olona, izay an tratrana kolikoly rehefa nanao taratasim-panjakana tahaka izao, izay an misy mpitondra ambony tahakan’izao na mpitondra fanjakana tahakan’izao, fonctionnaire na mpiasam-panjaka tahaka izao dia manao izay tsy ahazahoanay taratasy mihitsy fa mila vola izy io dia mampifilafila, dia raha ohatra hono mandoa kely ohatran’izao dia vita eo noho eo, fa rehefa tsy mandoa, miverena amin’ny herinandro, miverena amin’ny tapa-bolana, ohatra ohatran’izany. Manombok’izao izany, tsy misy intsony izany hoe vahoaka malagasy dia tsy misy mihaino, fa misy sehatra natao andraisana ny fitarainan’ny vahoaka malagasy eo amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay ilay hoe bureau de doléance, vao notapahina androany io. Ianao izany raha manana olana hoe misy mpiasam-panjakana tahaka izao, tena mba tsy rariny ny ataony, manao fanamparam-pahefana tahakan’izao, maka vola aminay sns, dia azonao atao ny manantona ny fiadidiana ny Repoblika mitondra ny fitarainanao. Manao fanadihadihana, ary tsy maintsy mandray an-tanana ny fitarainana rehetra izay voarainy an ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, izay ilay bureau de doléance. Dia manao ny fanadihadihana, ka raha hita fa mitombona dia atolotra ny manam-pahefana mifandraika amin’izay, dia tsy maintsy andraisana ny sazy mifanaraka aminy, ary manao ny suivi na manara-maso an’izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, dia mandefa azy any anatin’ny Ministera samihafa any hoe ity tato aminareo ny fitarainana fa tato aminareo hono no nanao karapanondro na nanao tsy fantatro, permis ny olona dia nakana vola, ohatra izany an, fa tsy hoe misy fikendrena manokana. Dia andraisana an’izay fepetra izay izany rehefa hita hoe mitombona. Izany rehetra izany ilay hoy izaho hoe manome mariky ny fanovana isika ary rehefa azo tsapain-tanana izany, ilay zotrantsika izany hoe an-dalana makany amin’ny fanovana izany. Ohatra ngamba farany azoko tanisaina Miora fa afaka miresaka foana isika mirahavavy, nefa ny fotoana voafetra, ny fanaovan’ny mpikambana rehetra ao anaty governemanta notarihan’ny Praiminisitra, ny fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na ny HCC dia marika anankiray ny amin’ny hoe: mametraka ny mangarahara isika ary indrindra indrindra tsy hanan-karena sy hameno paosy ny hahatongavan’ireo olona ireo eo fa araha-maso izay hoe ity ny harena nolazainao fa napetrakao fa anananao tamin’ianao tonga teo an, ka raha miala eo ianao dia nitombo avo folo eny iny, tsy maintsy enjehan’ny lalàna ianao, izay ilay ataoko hoe marika izany, hafatra izany an, mila ampitaina ny vahoaka Malagasy hoe aza manahy, fa tsy hisy intsony izany hoe gaboraraka fanararaotam-pahefana sns, fa miady amin’izay mihitsy isika ankehitriny ary izay ny mariky ny fiovana izay apetrantsika ao anatin’izay fitantanana ny raharaham-panjakana izay.  Ankoatran’izay ihany koa an dia ny resaka tsy fisian’ny fandriampahalemana, io izany tena anisan’ny maha-maika ny Filohan’ny Repoblika mihitsy satria tena efa tsy leferina intsony e, efa tena hoe miaritra aman’aina izany an ny asan-dahalo, ny fakana ankeriny, ny fanafihana mitam-piadiana, sns sns. Misy fepetra maromaro noraisiny, ny anisany voalohany indrindra amin’izany izao an, maika hoy ny Filohan’ny Repoblika dia efa hoavy afaka iray volana sy tapany na roa volana raha be indrindra ny angidim-by na ny hélicoptère miisa 5 izay novidian’ny fitondram-panjakana, mba ahafahana miady amin’izay dahalo izay zany an, ahafahana hoe haingana be izany ny fandraisana fepetra, ny fandraisana andraikitra rehefa misy an’izay asan-dahalo izay, ahafahana manaraka dahalo sns ihany koa. Iray izay, dia ny faharoa ihany koa an, anisan’ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika ny hoe fampitaovana ny mpitandro filaminantsika, ary dia nambara tao anatin’ny filan-kevitry ny Minsitra io fa andalam-pandraisana izay fepetra izany an, mba fanatatrao ve Miora fa efa tamin’ny taona 1975 no nisy fanavaozana farany ny fitaovam-piadian’ny miaramilantsika sy ny polisintsika sy ny zandarintsika? Tsy gaga izany isika raha ohatra hoe tsy manana fitaovana, tsy afaka miatrika, ny dahalo manana fitaovana raitra be, ary manaraka ny toetr’andro be. Ny mpitandro filaminantsika mbola iny efa ilay tamin’ny 1975 iny ihany no mbola entina hatramin’izao, dia nandray fepetra ihany koa tao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra hijery akaiky izany ny fahafahana manafatra an’ireo fitaovam-piadiana ireo an, mba ampy fitaovana izany ny mpitandro filaminantsika mba hanara-penitra. Tao anatin’izany ihany koa ny mikasika ny hoe tsy maintsy apetraka faran’izay maika izany, ary toromarika ny nataon’ny Filohan’ny Repoblika, tsy maintsy vita mialohan’ny 26 ny volana Jiona taona 2020 ny fonja vaovao, ilay fonja manokana, satria izao ny zavatra misy Miora, hazavaiko antsika izany. Nandritra ny fotoana maro an, ny dahalo, ny mpanao kiddnaping, ireo tompon’andraikitry ny crime izany na ilay tena hoe heloka bevava eto amin’ny firenena dia migadra amin’ny fonjantsika mahazatra eo ihany, dia tsy gaga isika raha hoe avy any Tsiafaha no mandeha indray no mandeha indray ny fibaikona ny kiddnaping na fibaikona ny attaque à main armé atsy sy eroa, lasa fiofanana indray, izay mihitsy. Dia nieritreritra izany dia tahakan’izao hoe andao hanao fonja manokana isika mitoka-monina, izany hoe ohatran’ireny hoe nosilava tamin’ny fotoan’androny ireny, dia tsy misy fifandraisana amin’ny aty ivelany mihitsy ny gadra any an-toerana izany fa ohatrany hoe atao hoe karazana sesitany, ny anton’izay mba tsy ahafahany mifangaroaro amin’ilay fiaraha-monina intsony izany an, ka tsy ahafahany mamerina indray ilay asa ratsiny satria izany fepetra izany no tsy misy hatramin’izay. Dia efa nomena toromarika moa ny Minisitry ny Fitsarana izany mba hitondra ao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra amin’ny manaraka ny tany hananganana an’izay fonja manokana izay, izay no noteneniko hoe mihazakazaka isika satria maro loatra ilay hirifirin’ny vahoaka Malagasy tsy maintsy hitadiavana vahaolana, dia efa ao anatin’ny soso-kevitra, tsy hoe soso-kevitra fa asa nampiandraiketana ny Minisitrin’ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa ny mikasika indrindra ny brigade special routière, izany hoe isaky ny 100km, dia hisy an’ilay mpitandron’ny filaminana izany, dia hisy “aire de repos”, izay no filazantsika azy, toerana fialan-tsasatra izany ho an’ny olom-pirenena mivezivezy, dia mba haingana kokoa izany ny ataontsika hoe fanaraha-maso sy ny karazana escorte ataon’ilay mpitandron’ny filaminana fa tsy hoe mandeha ianao 20, 200, 300, 400km tsy mahita mpitandro filaminana indrindra amin’ny alina, dia amin’ny alina izany an. Ny tena tanjona dia ny hoe mahatsapa izany ny vahoaka Malagasy fa manana mpiaro izy; ary eo ny fitondram-panjakana hiaro azy, izany hoe mahatsiaro “en sécurité” izany izy na aiza na aiza ny toerana alefany. Vitsivitsy moa izay notanisaiko izay fa lava, raha ohatra izao asehoko anao dia ity pejy anakiroa ity ny communication mikasika an’izay resaka ataontsika hoe fepetra maika tsy maintsy raisina mikasika ny insécurité eto Madagasikara izay, ny teny filamatra nambaran’ny Filoham-pirenena hoe tsy isika vahoaka Malagasy intsony kosa no tokony hatahotra e, ataontsika hoe tsy manana ny fahadisoana indray no mahatahotra fa ny manao ny ratsy indray no tsy mahatahotra eto amintsika, mila avadika izany, ny kiddnaping mila ialana haingana dia haingana , efa misy daholo ny ataontsika hoe tetikasa stratejika izany napetraky ny fitondram-panjakana, dia an-dalam-panatanterahana an’izany isika amin’izao fotoana izao mba hahazo vokatra maika satria maika ny vahoaka.

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here